Sport

Hetsika Grand Defi de Kick Boxing 2020 Ho tsaratsara kokoa ny andiany faha-2, hoy Rtoa Mishah


  • Zoma 10 Janoary 2020

Velom-pisaorana ny rehetra Rtoa Rasolofonoroniaina Julia Mickaëlle “MISHAH” filohan’ny Association FFAM “Force Féminine d’Aide Mutuelle”

 

 

 

nikarakara ny hetsika Grand Defi de Kick Boxing 2020 notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alahady 5 janoary lasa teo, raha tafaresaka fohy tamin’ny andiany mpanao gazety teny Anosizato, omaly alakamisy 8 janoary 2020.

“ Voalohany indrindra, hoy izy, dia misaotra an’ireo vahoaka mpitia Kick Boxing tonga nanohana ny hetsika Grand Defi de Kick Boxing 2020 nokarakarainay tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny tenako manokana sy ny Association FFAM “”Force féminine d'aide mutuelle” tarihako. Misaotra indrindra ihany koa an’ireo filohana klioba mirahalahy niara-nisalahy nikarakara taminay an’iny fifaninanana iny dia i Me Rivo (klioba Tigers) sy i Me Eric Nonoh (klioba Ckba) sy ireo rehetra nanampy tamin’ny fikarakarana rehetra na nivantana na an-kolaka. Mbola be ny manontany ny antony mahatonga azy hanampy betsaka ny fanatanjahantena eny Anosizato. Tsotra ny valin-teny azo homena, hoy izy, dia ny fahamaroan’ireo tanora manana talenta amin’ny reska fanatanjahantena nefa variana amin’ny fidorohana mahadomelina sy zava-tsy dia mahasoa akory ka dia nanapakevitra izy ny hitondra fanampiana sy hanohana an’ireo tanora ireo. Tsy eo amin’ny sehatry ny taranja Kikc Boxing ihany fa efa manana ny ekipa fitaizana tanora eo amin’ny taranja hafa toy ny rugby à XV, ny baolina kitra, ny tsipy kanetibe, ny basikety ihany koa izay nofaranana amin’ny FAM hatrany ny filazana azy ireo.

Hoezahina mbola hatao tsaratsara kokoa noho ny tamin’ity andiany voalohany ity ny andiany faharoa manaraka amin’ny hetsika, hoy Rtoa Mishah na eo amin’ny fikarakarana na eo amin’ny fanomezana amboara hatolotra an’ireo mpikatroka mandray anjara. I Casis avy eto Antananarivo izay nandavo an’i Bruno avy any Antsirabe  teo amin’ny sokajin-danja -71 kg  no tena nandrasan’ny maro tamin’ity hetsika ity dia hoezahina hakarina ringa avokoa ireo kalaza rehetra manerana ny Faritra amin’izay fotoana izay.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT