Sport

Hetsika ara-panatanjahantena ASIEF Mafotaka ny fifaninanan’ny samy mpiasam-panjakana


  • Talata 02 Novambra 2021

Nosokafana tamin-pomba ofisialy ny 30 oktobra teo tany Mahajanga ilay hetsika ara-panatanjehantena Asief izay karakaraina isan-taona hanentanana ny mpiasam-panjakana rehetra.

 Haharitra folo (10) andro izy io ka taranja ara-panatanjahantena maro ho totontosaina mandritra izany. Tonga nanome voninahitra ny fanokafana tamin'ny fomba ofisialy ny Praiminisitra Christian Ntsay notronin'ireo mpikambana maro eo anivon'ny Governemanta Malagasy.Nitso-drano sy nirary soa ho an’ireo mpandray anjara kosa ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan'Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle Ranampy nandritra ny lahanteniny. Ny fanaovana ny fanatanjahantena toy izao mantsy antoky ny fahasalamana ary koa mampisokatra ny saina mba hanana fomba fijery matsilo hanatanterahana an-tsakany sy andavany ny asam-panjakana hoy izy. An-jatony moa ireo mpandray anjara ao anatin’izao hetsika ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakana tanterahina any Mahajanga izao.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT