Sport

Hetsika 35 taonan’ny 3Fai rugby Ny Uscar boaty sy Tfma Flesy kartie no tafita voalohany


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Natomboka omaly alahady 13 mey tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny hetsika fanamarihan’ny fileovana 3Fai rugby ny faha-35 taona niorenany. Fantatra fa ny ekipan’ny Uscar eo amin’ny boaty sy ny Tfma Flesy Ankasina eo amin’ny kartie no tafita voalohany avy amin’ny lalao famaranana rehefa samy nandresy avy ny Uasc (37-35) sy ny XV Family (21-11) teo amin’ny lalao 1/2-dalana.

 

Nampalahelo fa somary nisy korontana kely tamin’ny fiafaran’ity lalao farany ity noho ny tendrim-po tsy mba namana nahazo an’ireo mpomba azy. Soa fa maro dia maro ireo mpitandron’ny filaminana nalain’ny 3Fai niandry an’ity hetsika ity. Teo amin’ny manasa-dalana Elite II fanokafam-bavony kosa niadiana omby lehibe dia lavon’ny Ftat 15-14 ny XV Wolks. Nambaran-dRtoa Rakotonirina Raissa filohan’ny 3Fai teny Mahamasina omaly fa tsy natao hitadiavam-bola ity hetsika rugby nokarakarain-dry zareo ity fa hoentina hanampiana kosa an’ireo fileovana mandray anjara aminy. Nambarany ihany koa fa hoentina hitsangatsangana any Morondava tsy ho ela ny ekipan’ny 3Fai D-1 elite II nandrombaka ny anaram-boninahitra tompondakan’ny seksiona Antananarivo-Renivohitra tamin’ity taona ity.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT