Sport

Hery Bastien Tsy voaantso Barea intsony


  • Zoma 05 Martsa 2021

Somary nampametra-panontaniana maro ireo mpanaraka ny kitra Malagasy ihany ny tsy

 

 

 

 nahitana ny anaran’i Hery Bastien omaly tao anatin’ny lisitr’ireo 29 mirahalahy voaantso hiatrika ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra hiomana amin’ny fihaonana amin’ny ekipam-pirenen’i Etiopia sy Niger ny 27 sy 30 martsa izao. Fa inona no antony? Ity laharana faha 10n’ny Barea farany teo ity ve, sanatria, no ilay mpilalao voalaza ho tonga amin’ny fitenin’ny tanora hoe “nanontsana” ny mpanazatra, Nicolas Dupuis, tamina gazety vahiny iray ary nilaza fa marina avokoa ireo nambaran’ilay mpamakafaka frantsay, Romain Molina? Ity mpamakafaka ity moa izay marihina hatrany fa nilaza ny mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy ho manao kolikoly amin’ireo mpilalao izay maniry hanatevin-daharana ny ekipam-pirenena hatrany. Misy idiran’izay ve anefa no antony tsy niantsoan’i Dupuis an’i Bastien? Ho hita eo ny tohiny fa ny irariana aloha dia mba hahatafakatra antsika fanindroany any amin’ny tompondakan’I Afrika indray izy 29 mirahalahy voafantina omaly ireto.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT