Azo lazaina ho mbola fahombiazana hatreto ny nindraman’ny klioba divizionina voalohany ao Irlandy avaratra dia ny Derry City FC an’ilay Malagasy milalao ao amin’ny Bohemian FC, Hery Bastien.
Tao anatin’ireo lalao miisa 2 izay niarahany tamin’ity klioba mihindrana azy mandritry ny herintaona ity dia fandresena miisa 2 ihany koa hatreto no azon’izy ireo ao anatin’ny fifaninanam-pirenena irlandey dia ny Premier league. Noporofoin’ity Malagasy milalao ao afovoanin’ny kianja ity fa diso mihitsy ny fanapahan-kevitry ny mpanazatra izay tsy nampiditra azy hilalao raha tsy teo amin’ny minitra faha 72 ny zoma teo satria dia izy no nandritra sy nanome ny tolotra farany namonoan’ny mpiara-milalao aminy, Daniel Lafferty, ny baolina fahatelo izay nandresen’izy ireo tamin’ny isa mazava 3 noho 0 nanoloana an’I Drogheda United teo amin’ny minitra faha 75, izany hoe 3 minitra monja taorian’ny fidirany teny an-kianja. Marihina moa fa ny klioban’I Bohemian izay tena ilalaovan’I Hery ankehitriny dia isan’ireo klioba nahazo amboara sy anaram-boninahitra maro indrindra ao Irlandy hatreto. In-11 nahazo ny tompondakan’I Irlandy ary im-pito nahazo ny amboaran’I Irlandy ihany koa. Ny Linfield football club izay klioba nisy azy teo aloha kosa no lohalaharana amin’izany fahazoana anaram-boninahitra izany ho an’ny fifaninanam-pirenena ao Irlandy avaratra satria dia efa nahazo anaram-boninahitra maha tompondaka miisa 55 be izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.