Sport

Hazakazaka manani-bohitra Hotontosaina rahampitso 29 jona ny andiany faha-2


  • Zoma 28 Jona 2019

Hotanterahina rahampitso 29 jona 2019 ny andiany faha-2 amin’ny hazakazaka manani-bohitra hampitohy ny kianjan’Alarobia Antananarivo sy ny tanànan’Ambohimanga mandalo ny digin’i Laniera sy ny tendrombohitra Rakotomaditra.

 

 

 

Ahitana hazakazaka 42 km sy 21 km izy io izay handraisan’ireo mpifaninana mihoatra ny 18 taona anjara, ny hazakazaka 10 km natokana ho an’ny fianakaviana ary ny hazakazaka 4km natokana ho an’ny ankizy latsaky ny 15 taona. Nomarihan’Atoa Rasoloarison  Njaka Tsirofo filohan’ny fikambanana manani-bohitra izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny hetsika tamin’ny fitafatafana tamin’ny mpanao gazety teny Ankorondrano, tamin’ny 21 jona lasa teo,  fa hatao fifaninanana manokana mihitsy manomboka izao ity manani-bohitra ity fa tsy natao ho fanomanana ny hetsika Utop fotsiny toy ny tamin’ny taon-dasa. Tomombana tsara ny fikarakarana miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka tarihan’ny Telma   ka mpifaninana hatrany amin’ny 500 isa no handrasana handray anjara.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT