Mandalo eto Antananarivo amin’izao fotoana ireo mpandray anjara amin’ny hazakazaka mitondra lelafo ho an’ny fandriampahalemana antsoina hoe Sri Chinmoy Oneness-Home Peace Run.
Noraisin’ny tompon’andraikitry ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) izy ireo omaly maraina. Nisolotena ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana nandritra izany ny sekretera jeneralin’ny kaominina, Landy Raveloson. Sambany amin’ity taona 2019 ity no hanaovana izao hazakazaka ho an’ny fandriampahalemana izao, itondrana ny lelafon’ny fandriampahalemana ary itetezana an’izao tontolo izao, ka aty amin’ny ilabolan-tany atsimo dia firenena miisa 44 no tsidihan’izy ireo, anisan’izany izao fandalovana eto Madagasikara eto Antananarivo sy any Antsirabe. Any Antsirabe no anaovan’izy ireo izay hazakazaka izay hatramin’ny sabotsy, ny sabotsy izao kosa no hanatanterahana ny hazakazaka ho an’ny fandriampahalemana miaraka amin’ny lelafo Sri Chinmoy Oneness-Home Peace Run eto Antananarivo: miainga eny amin’ny EPP Ambohipo ary hifarana eny amin’ny EPP Ambohimiandra. Hiaraka handray anjara amin’ireo Malagasy liana amin’izany, ireo efa nitondra ny lelafo avy any ivelany, izay misy avy any Etazonia, Australia, Repoblika Tchèque, sy ny avy any Frantsa.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.