Sport

Hazakazaka ho an’ny Fanantenana Nanodidina ny 3000 ireo nandray anjara


  • Zoma 03 Mey 2019

Tontosa teto Antananarivo omaly alarobia 01 mey 2019 ny hazakazaka ho an’ny Fanantenana andiany voalohany nokarakarain’ny Fiangonana Advantista Malagasy niaraka tamin’ny

 

 

minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena sy ny minisiteran’ny fahasalamana ary ny minisiteran’ny mponina Malagasy nanatontosa.  Nahatratra 3000 isa tany ho any ireo nandray anjara tamin’ny hetsika ka ny 50  tamin’ireo dia atltleta manana taratasy filalaovana ara-dalàna ary ny 30 hafa dia pasitera ao amin’ny Foiben’ny Fiangonana Advantista eto Afovoany avokoa notarihan’ny Pasitera Ratsarasaotra Paul mpandrindra ny hetsika. Nanampy teo amin’ny fanatontosana kosa ny teknisianina 2 avy ao amin’ny FMA “Federasiona Malagasin’ny Atletisma”. 10 km niainga teo Mahamasina nihazo an’Ampasika sy 5 km nanodidina ny farihin’Anosy sy ny kianjan’i Mahamasina no notanterahina ka nizarana amboara sy medaly an’ireo mpandresy isanisany. Natao ity hetsika ity, hoy ny Pasitera Ratsarasaotra Paul mba hitaizana ny tanora tsy horebireben’ny filan-dratsy samihafa sy mba hahazoana fahasalamana ho an’ny rehetra ihany koa.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT