Sport

Hazakazaka ara-panatanjahantena Nahavory olona mihoatra ny 3.000 ny fiangonana advantista


  • Alakamisy 02 Mey 2019

Tontosa soa aman-tsara omaly alarobia fiandohan’ny volana mey, nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny asa ilay hazakazaka fanantenana nokarakarain’ny fiangonana advantista tetsy Mahamasina.

 

 

Olona mihoatra ny 3.000 no tonga nandray anjara tamin’izany. Ankoatra ireo efa mpandray anjara amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka dia marobe ihany koa ireo olon-tsotra nandray anjara. Tanjon’ny mpikarakara ny hananan’ny Malagasy mpiray tanindrazana rehetra fahasalamana hahafahana miady amin’ny aretina diabeta, ny tosidra, ny rarin-tsaina izay mamely ny ankamaroan’ny maro. Lalana mirefy 5km sy 10 km no nataon’ireo mpandray anjara, izay samy nahitana vehivavy avokoa ary tena tonga marobe. Mbola nahatratra 500 ireo nisoratra anarana teny an-toerana omaly. Hitohy amin’ny fizaham-pahasalamana faobe ny hetsika hataon’ity fiangonana ity ny 13 sy ny 14 mey ho avy izao eny amin’ny Parvis hotel Analakely.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT