Sport

Hazakazaka am-bisikileta sy dia an-tongotra Hotanterahina ny 12 sy 13 mey ho avy izao ny Mbike


  • Talata 08 Mey 2018

Hotanterahina ny 12 sy ny 13 mey ho avy izao indray ny andiany fahatelo amin’ilay hazakazaka am-bisikileta sy dia an-tongotra iraisam-pirenena na ny Mbike Madagascar eo anelanelan’Ambohimanambola sy Mantasoa.

Hasaina handray anjara  avokoa ny rehetra, indrindra ireo te hanatanja-batana. Amin’ny ankapobeny, manasitrana aretina maro ny dia an-tongotra toy ny diabeta, ny tosidra… noho izy manatsara ny fikorinan’ny ra ao anatiny. Hanohana akaiky ny hetsika ny orinasa Star amin’ny alalan’ireo karazana zava-pisotro nahafantarana azy toy ny Eau Vive….Karazana fitsangantsangana sy fialamboly no hamaranana izany ao Mantasoa satria dia hisy ny fanentanana sy lalao maro isan-karazany mety hahazoana loka sy fanomezana marobe. Ho an’ireo mpandray anjara kosa dia hisy ny loka hozaraina ho an’ireo mivoaka ho mpandresy isaky ny sokajy avy.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT