Sport

Hazakazaka 15 km de Tanà Nahemotra amin’ny 24 febroary 2019


  • Sabotsy 15 Septambra 2018

Voatery nahemotra ho amin’ny 24 febroary 2019 ilay hazakazaka 15 km novinavinain’ny SAAR “Seksion’ny Atletisma Antananarivo-Renivohitra” tarihan’ny filohany, Rtoa Rakotoson Nivo Harisoa,

 

 

 

hotanterahina rahampitso alahady 16 septambra hamakivaky ny lalana maro eto an-drenivohitra. Araka ny fanazavana nomen’ity seksiona ity ny mpanao gazety teny Manarintsoa Isotry omaly dia noho ny antony ara-teknika no tsy ahafahana manatontosa ity hetsika ity amin’io rahampitso io. Ho tazomina daholo avokoa anefa ireo daty hafa efa novolavolain’ity seksiona ity rehetra dia ny 28 oktobra 2018 hanatanterahana ny hazakazaka “Cross Country”, amin’ny 20 janoary 2019 hanatontosana ny fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona 2018-2019. Mbola hampitaina amin’ny fotoana mahamety azy kosa ny hanaovana an’ireo fifaninanana “sur piste” rehetra. Marihana ihany, hoy Rtoa Nivo Harisoa, fa tontosa soa aman-tsara avokoa ireo fifaninanana nokarakarain’ny seksion’ny atletisma Antananarivo-Renivohitra tamin’iny taom-pilalaovana lasa iny ary tontosa ihany koa ny vina fanolorana medaly an’ireo 3 voalohany tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka 2017-2018 iny.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT