Hazakazaka 100m, Meeting Régional, Frantsa

Laharana faharoa i Claudine Nomenjanahary


  • Talata 01 Jolay 2025

Namiratra i Claudine Nomenjanahary, mpihazakazaka malagasy eo amin’ny alavirana 100 metatra,

sokajy vehivavy, ny faran’ny herinandro teo tany Frantsa. Nisongadina ny vehivavy nandritry ny Meeting Régional an’i CAC izay natao ny sabotsy 28 jona teo tao amin’ny kianjan’i Hélitas ao Caen, raha ny angom-baovao voaray omaly. Nahavita fe-potoana tsara indrindra na «record» ihany koa izy tao anatin’izany raha nahatanteraka ny fihazakazahany tao anatin’ny 11.43 segaondra nanoloana ilay frantsay Khadijah Cherifou (11.72). Mbola montsany aza io zava-bita tsara indrindrany io mba hahazoana ny medaly volamena tamin’ny famaranana tao anatin’ny 11.36 segaondra. Novereziny lavitra daholo na ilay kaongoley Natacha Ngoye (11.71) na ilay frantsay Jeanne Vannier (11.74). Efa nahavelom-bolo toy izany koa ny zava-bitan’i Claudine Njarasoa ny zoma 27 jona nandritry ny «39e Meeting International de Montgeron-Essonne» tao amin’ny kianja Pierre de Coubertin. Teo amin’ny laharana faharoa na izany aza no niafaràn’ny solontena malagasy raha toa ka ilay ivoarianina Maboundoy Koné kosa no nahazo ny medaly volamena tao anatin’ny fe-potoana 11.24 segaondra, raha ny angom-baovao voaray hatrany momba izay hazakazaka 100 metatra izay.
Nangonin’i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT