Hazakaka fiarakodia « GT4 » maneran-tany

Iaro Razanakoto no hany Afrikanina


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Iaro Razanakoto, antsoina hoe Jormmanbou, dia anisan’ny olo-malaza amin’ny hazakazaka

fiara any Azia Atsimo Atsinanana. Izy no Malagasy tokana sy Afrikanina hany manana fankatoavana ofisialy avy amin’ny FIA (Fédération Internationale de l’Automobile) ho mpamily matihanina amin’ny hazakazaka an-dalana. Nanao hazakazaka nandritra ny 7 taona, Iaro dia nitombo teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nahazo laza tamin’ny « Super Touring Car » tamin’ny 2021, niaraka tamin’ny ekipa MRA Racing, nahazo loka “Rising Star of Thailand”. Tamin’ny 2023, niaraka tamin’ny ekipa Porsche sy Absolute Racing, dia nandresy tamin’ny fifaninanana GT4 tao Thailand. Nandritra io taona io dia nandrombaka toerana voalohany tany Sepang – Malaisie, amin’ny fiara Porsche GT4 RS. Amin’ny 24 sy 25 Jona 2025, hiatrika ny vanim-potoana vaovao amin’ny Chang International Circuit i Iaro, miaraka amin’ny mpifaninana avy amin’ny firenena 28. Voalahatra ihany koa ny fitsapana amin’ny Formule 3 (Jolay), GT3 any Malaisie (Aogositra), ary Shanghai (Septambra) ho azy.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT