Hatramin’ny niverenan’i Lapoussin

Im-pito misesy tsy resy ny URSG


  • Alakamisy 05 Desambra 2024

Im-pito misesy tsy resy ny URSG na Union Royal Saint Gillois, klioba divizionina voalohany

ao Belzika eo amin’ny taranja baolina kitra, hatramin’ny niverenan’i Loïc Lapoussin, ilay lohalaharana malagasy, naverina hifaninana ao amin’ny Jupiler Pro League rehefa nosazian’ny kliobany nandritry ny andro maro. Manakoako ao an-toerana ankehitriny ny «Danse Lapoussin» na fomba fandihy Lapoussin taorian’izay fahombiazana nifanesy izay. Nantsoin’ny mpanazatra sy nomeny fitokisana indray ity lohalaharana malagasy ity ka nampiova ny toe-draharaha izay efa saika ratsy, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpanohana ny klioba. Hain’ny mpanazatra tsara ny mametraka an’i Lapoussin amin’ny toerany sy mampiasa azy na nanoloana an’i Eupen na tamin’ny fihaonana tamin’ny KV Mechelen na nanoloana an’i AS Roma. Toy izany koa ny nanoloana an’i Genk, OHL, Twente ary Antwerp.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT