Sport

Handisport – Oseana Indiana Nosy efatra mifaninana amina taranja telo


  • Zoma 04 Desambra 2015

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fiadiana ny amboaran’ny oseana Indiana ho an’ireo ekipa tompondaka amin’ny fanatanjahantena ho an’ireo manana fahasembanana (CCCHOI).

 Nanomboka omaly ny fifaninanana ary hifarana ny 8 desambra. Taranja telo no ifaninanana amin’ity andiany atao eto Madagasikara ity dia ny baskety ambony seza misy kodiarana, ny tsipy kanetibe ary ny tenisy ambony seza misy kodiarana. Efa nanomboka nanaovana fampisehoana ary hifaninanana amin’ireo andiany hafa manaraka kosa ny “bottia” izay miendrika fifaninanana tsipy kanetibe ambony seza misy kodiarana ary natokana ho an’ireo tena marefo. Nosy efatra no manana solontena amin’ity andiany 2015 ity dia i Maorisy, la Reunion ary Kaomaoro ankoatra an’i Madagasikara mpampiantrano. Etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina no hanaovana ny fifaninanana baskety ambony seza misy kodiarana sy ny bottia, eny amin’ny CBT Mahamasina ny tsipy kanetibe ary eny amin’ny kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha ny tenisy ambony seza misy kodiarana. Tsiahivina fa isika Malagasy no tompondaka tamin’ny baskety sy tsipy kanetibe tamin’ny andiany 2011 sy 2012. Tsy nandray anjara kosa i Madagasikara tamin’ny andiany 2013 tany Kaomaoro sy ny andiany 2014 tany la Reunion. Tanjon’ny federasiona amin’ity andiany eto amintsika ity ny haka indray ireo anaramboninahitra ireo.

Rasanda Serge

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT