Folo andro mahery izao no efa niditra tamin’ny fampivondronana fah-2 fanomanana ny Lalaon’ny nosy ny taranja handisport.Atleta 13 mianadahy miampy mpitari-dalana ho an’ny jamba no solontena malagasy hiaro ny voninahim-pirenena any amin’ny Lalaon’ny Nosy hatao any la Reunion (1-9 aogositra) ary manaraka ny fampivondronana faharoa eny amin’ny kianjan’Alarobia nanomboka ny 5 jona teo.
Enina ireo manana fahasambanana ara-tsaina ka telo ny lehilahy dia Iarivola (100m, fonjamby), Alain (vikindava, fonjamby) ary Nico (100m, 800m). Telo koa ny vehivavy dia i Felana (100m, fonjamby), Iary (800m, fonjamby) ary i Crasela (100m, vikindava). Efatra kosa ireo marenina ka roa ny lehilahy dia Nambinina (200m) sy Haja (vikindava) ary roa ihany koa ny vehivavy dia i Rimma (200m) sy Mihary (vikindava). Mianadahy ireo manao hazakazaka amin’ny seza misy kodiarana dia i Solomon (1500m) sy Frankline (1500m). Tokana kosa ny jamba dia i Rojo (100m). Tsy hisy kosa ny mpifaninana amin’ny taranja lomano noho ny fahataran’ny fisoratana anarana araka ny nambarana ireo mpanazatra nasionaly na dia efa vonona amin’izany aza ireo atletantsika. Marihina fa taranja isan’ny fakantsika malagasy medaly ny handisport nefa hatramin’izao iray volana mahery mialoha ny lalao izao dia mbola mandringa ara-pitaovana ny fanomantena. “Efa misy fivoarana be ara-teknika ireo ankizy fa ny fitaovana no tena tsy mapy. Tsy manana kiraro fitondra mihazakazaka ny atleta sasany. Iray monja koa ny “fauteuil” izay ifandimbiasana amin’ny fanazarantena. Misy ihany ireo efa nampiasaina tamin’ny Lalaon’ny nosy 2007 teto amintsika fa tsy misy kodiarana. Mbola olana be koa ny haben’ireo atleta tsy mitovy nefa mifandimby mampiasa ny “fauteuil”” araka ny fanamarihan’ny mpanazatra nasionaly, Rajaonah Ange.
Rasanda Serge
Franckline, mpihazakazaka amin’ny seza misy kodiarana
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.