Sport

Handball- Tillo Andriamiharinosy "Mila miady aloha vao mandresy !"


  • Alatsinainy 13 Martsa 2023

Faralahiny amin'ny fanohanana amin'ireo taranja hiraisana ny handball. Taranja tia tsy fantatry ny ministera mpiahy.

Miady irery anefa tsy kivy raha ny resaka nifanaovanay sy Tillo Andriamiharinosy ilay mpanazatra ny MySah, tompon-dakan'i Madagasikara vehivavy farany teo. Noho ny fandaminana anefa dia any amin'ny ekipam-pirenena lehilahy izy izao miaraka amin'i Mickael ilay mpanazatra avy atsy La Réunion.
Tia Tanindrazana: Ho avy ny Lalaon'ny Nosy. Aiza ho aiza ny fanomanana ny ekipam-pirenena vehivavy sy ireo ankizy notaizanao tao amin'ny MySah Ambatomirahavavy ?
Tillo Andriamiharinosy : "Mety gaga angamba ianao fa tsy any amin'ny ekipa vehivavy intsony ny tenanay fa efa lasa any amin'ny lehilahy noho ny fandaminana ary mety noho ny fahalalako ny maro amin'ireo lehilahy."
Tia Tanindrazana: " Sao dia mba diso izany raha lasa mpanazatra mpanampy indray ianao ?
T.A. : " Tsy diso satria saika fantatro avoaka ireo mpilalao izay ny any Toliara no betsaka ahitana an'i Falisoa , Jaona Kely, Jaona Be, Nasolo ary Joel. Mpilalao afaka hiaro tsara ny voninahitr'i Madagasikara fa na izany aza mila miady aloha vao mandresy.Miankina aimin'ny fanomanantena ihany fa hatreto aloha mbola mafy ry zareo La Réunion sady manana ny ampy hanaovana fivondronana."
Tia Tanindrazana: Ka ny antsika anie efa mba miomana izao .
T.A : "Marina izany saingy ny antsika izao dia ny ezaky ny federasiona sy ireo mpilalao no hianteherana. Tena tsy mitovy."
Tia Tanindrazana : Ary ny momba ireo vehivavy indray ahoana ?
T.A. ;" Tena tanora no ao ankoatran'i Judith izay efa fantatry ny maro. misy mpilalao avy ao amin'ny MySah ao mazava ho azy toa an'i Nicole, Flavia, Cali, Nata, Ando ary Chantal. Mafy sy matanjaka ireo fa miankina amin'ny tohana ihany."
Nangonin'i Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT