Sport

Handball- Lalaon'ny Nosy Azo eritreretina ny medaly volamena hoy Zo Rasolofoson


  • Alarobia 31 Mey 2023

Velom-bolo indray ny handball taorianan'iny fandresena miezinezina teo amin'ny Cadettes sy juniors vehivavy iny.

Fandresena izay nampitsiry indray ny fanantenana ny handrobahana ny medaly volanenan'ny Lalaon'ny Nosy raha ny fanehoan-kevitr'i Zo Rasolofoson ilay kapitenin'ny AS St Michel sady zanak'i Guillaume ilay andrarezin'ny handball malagasy. Betsaka tokoa ny fanantenanana ary mieritreritra aza ny tompon'andraikitra ny hampiditra mpilalao efatra amin'ireto zandry kely ireto ary isan'izany i Rasoamazava Volatiana izay voafidy ho mpilalao mendrika indrindra no sady namono baolina betsaka indrindra .Na teo amin'ny cafettes aza dia voafidy ho mpiandry tsatokazo mendrika indrindra i Doadema ary mpilalao mendrika indrindra i Fifaliana Zeomamy Porofo izany fa efa mivoatra ny handball mslagasy izay efa nanomboka fanazarantena in-telo isan-kerinandro ny volona martsa ary mieritreritra hiditra fampivondronana farany eny Vontovorona ny 5 jona izao. Ireo mpilalao tranainy moa no miara-misalahy amin'ity taranja ity ary isan'izany i Namasy Rabenandrasana sy Jean Claude Rakotonirina tany Johannesburg farany teo. Eo amin'ny lehilahy indray dia efa nanomboka iray volana izay ny fanazarantena ary mahavita intelo na in’efatra isan-kerinandro. I Tillo ilay zanak'i Berthin Andriamiharinosy sady efa mpanazatra tany Maorisy no misahana ny fampivondranana ny lehilahy miaraka amin'i Mickaël sy Christian. La Réunion no sonary mafimafy amin'ity taranja ity hoy Tillo fa na izany aza misy azo hatao ihany raha tomombana tsara ny fanomanana sy ny fanohanan'ny mpijery.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT