Sport

Handball- Faritra fahaenina Lasan'i Madagasikara ny amboara teo amin'ny Juniors sy Cadettes


  • Talata 30 Mey 2023

Vavao mahafaly, tena mahafaly, no nentin',ireo mpilalao handball zazavavy Malagasy avy atsy Afrika Atsimo nandritry ny fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika Faritra fahaenina.

Lasan’ny Malagasy avokoa ny medaly volamena nifaninana Teo amin'ny Cadettes aloha dia nazava ny fandresena nanoloana an'i Malawi satria dia 28 noho 12 no isa teny amin'ny tabilao. Teo amin'ny Juniors indray dia nandresy ny Afrikanina Atsimo ny Malagasy. Somary enjana ny lalao saingy nahatohitra teo amin'ny fiarovantena ny ankizy hany ka niafara tamin'ny fabdresena 17 noho 14. Ny lesona voalohany azo tsoahina dia ny hoe miarin-doha ity taranja iray matoa tonga amin'izay tierana izao. Manginy fotsiny ilay hoe nanoman-tena irery teny Vontovorona tsy nisy mpanampy ireto ankizy ireto nefa dia nahita vokatra tena tsara sy mahavelom-bolo. Fahatelo dia ny fahafantarana fa efa brtsaka amin',ireto no azo alahatra sahady mandritry ny Lalaon'ny Nosy ho avy io. Mendri- piderana ity taranja ity ary tokony ho tohanana. Soson-kevitra ihany ny tokony hanaovana ny Complexe sportif eny Vontovorona ho ivon-toeran'ny fanatanjahantena avo lenta sy toeram-piofanana. Mba ho isan'ny rafitra ho lovain-jafy koa ny zava-bitan'ny Tale Jeneralin' ny CNaPS teo aloha, Arizaka Rabekoto Raoul.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT