Raha hiatrika ny andro faha-7 farany amin’ny fifanintsanam-bondrona ny sokajy lehilahy anio zoma 30 novambra 2018, eo amin’ny fifaninana CCOI Handball
2018tontosaina etsy amin’ny Lapan’ny Fantanjahantena Mahamasina, ka lalao 3 sisa no voafaritry ny fandaharam-potoana ho tanterahina amin’izany : 10:00-Vacoas # Tsingoni ; 11:15-Cosfa # Durantha ; 12:30 Château Morange # St Pierre Hbc dia hiditra amin’ireo lalao fiadian-toerana kosa ny sokajy vehivavy ka amin’ny 14:00 dia fiadiana ny lah. faha-5 y faha-6 ary amin’ny ary amin’ny 16:00 dia fiadiana toerana lah.faha 3 sy faha-4.
Marihana fa nandritra ny fiatrehana ny andro faha-5 tamin’ny alarobia 28 novambra 2018 teo dia afa-bela tamin’ny ekipan’ny Cosfa ny As St Michel samy solontena Malagasy fa raha 20-19 no nibatan’ny Cosfa fandresena tamin’ny famaranana nasionaly nifanandrinan’izy ireo dia 21-19 no valin’ady tontosan’ny As St Michel tamin’io alarobia io.
Vokatra azo tamin’ny andro faha-6 omaly alakamisy 29 novambra :
Tamponnaise - As Tsiky 00-00 (F) ; Cap Sister - Thbc 00-00 (F) ; Jsb – Pc Boueni 00-00 (F) ; Château Morange - Tsingoni 00-00 (M) ; Vacoas - Durantha 00-00 (M) ; As St Michel - St Pierre Hbc 00-00 (M).
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.