Sport

Hand – Challenge trophy U20 : Tsara fanombohana ny zazavavy malagasy


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Nanomboka ny Talata teo tao amin’ny kianja mitafon’i Phoenix ao Maorisy ilay fifaninanana iraisam-pirenena, Challenge trophy, ho an’ny sokajy latsaky ny 20 taona.

Tsara fanombohana ny zazavavy malagasy tamin’ny andro voalohany, nandresy mazava ny maorisianina tamin’ny isa 25-9. Hatreo am-pialan-tsasatra ny ekipan-dRamiandrasoa Seta no efa nitarika mazava 12-4. Tombony ho antsika Malagasy ny fanaovana fanafihana sy valim-panafihana haingana. Teo amin’ny fihaonana hafa kosa dia lavon’i Comores 23-14 i Seychelles.
        Teo amin’ny sokajy zazalahy indray dia resin’ny maorisianina tamin’ny isa 37-25 ny zazalahy malagasy. Niady tokoa ny lalao satria mbola isika Malagasy aza no nitarika 12-10 teo am-pialan-tsasatra, saingy vao nandeha kely ny fizaram-potoana faharoa dia efa nitarika 18-12 indray ny mpampiantrano. Nahery vaika tokoa ny fihaonana satria samy nomen’ireo mpitsara seiseloa mirahalahy nitantana ny lalao karatra mena ny mpilalao iray avy andaniny sy ankilany, ka i Florido Labbe no nahazo izany ho an’ny Malagasy. Nisy tapaka rantsan-tanana mihitsy moa ny mpilalao maorisianina iray. Ny vokatry ny lalao iray kosa dia resin’i Seychelles tamin’ny isa 27-17 i Comores. Marihina fa ireo ekipa roa voalohany amin’ireo efatra miatrika ny fifaninanana zazalahy sy zazavavy avy no hiady ny famaranana ny Sabotsy izao.
Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT