Sport

Hand-ball Séniors Ny Thbc vehivavy sy Assm lehilahy no tompondaka 2019


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

Tontosa omaly alahady 15 desambra 2019 tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina ireo lalao famaranana lalao hand-ball fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy Séniors.

 

 

Nahavita ny valin’adiny ny ekipan’ny St Michel Amparibe raha nandresy ny Cosfa 1 Analamanga 32-29 ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara 2019 sokajy lehilahy. Nahatazona ny anaram-boninahitra azony tamin’ny taon-dasa kosa ny vehivavin’ny Thbc Analamanga rehefa nandresy an’ny Hbci Ihorombe tamin’ny 30-18. Hbca Analamanga no nitana ny laharana faha-3 teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny Cosfa 2 teo amin’ny sokajy vehivavy. Mpilalao mendriky ny fifaninanana i Nicole (Hbci) vehivavy ary i Jhon Price (Assm) lehilahy. Mpiandry harato mendrika indrindra i Lolou (Assm) lehilahy sy Nosy (Thbc). Notolorana ny amboaran’ny “Fair-play” kosa ny ekipa lehilahin’ny SMI Itaosy. Nanokanana 1 mn fahanginana kosa ireo nodimandry nahavita be teo amin’ny sehatry ny hand-ball toa an’i Mohamed Saleh, Rasendra Jean, Ralaiavy Armand  ary Rajaonarivelo Monique.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT