Sport

Hand-ball IHF Trophy Afrique 2019 Tafaverina an-tanindrazana ny delegasiona Malagasy


  • Alarobia 19 Jona 2019

Tafaverina an-tanindrazana tamin’ny alatsinainy 17 jona teo ny delegasion’ny taranja Hand-ball “cadette” sy “junior” vehivavy Malagasy avy niatrika ny fifaninanana IHF Trophy 2019 “zone 6 sy 7” natambatra aty Afrika natao tany Lusaka Zambie manomboka tamin’ny 11 ka hatramin’ny 16 jona 2019 lasa teo.

 

 

 

Tsiahivina fa vokatra tsara no nentin’izy ireo nody an-tanindrazana dia ny fahazoana ny medaly volamena teo amin’ny sokajy junior ary fahazoana laharana faha-3 (medaly alimo) teo amin’ny sokajy “cadette” sy ny fahazoan’ireo kapiteny mirahavavy (Chaina Soulaimana “junior” sy Helene Tsiory “cadette”) ireo  amboaran’ny mpilalao mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana. Tsy tongatonga ho azy izao fahombiazana izao, hoy ny filohan’ny federasiona nitarika azy ireo tany Zambie nampiantso mpanao gazety tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina omaly fa vokatry ny fikirizana natao tamin’ny niatrehana fampivondronana in-3 niantoana nataon’ireo mpilalao sy ny fampiharana ny politika fikarakarana  ny tanora hilalao hand-ball nanomboka tamin’ny taona 2013.  Maniry ny mba hanatitra ny amboara  azony eo anivon’ny fitondram-panjakana ireo tovovavy mpilalao hand-ball   Malagasy ireto ary maniry fanohanana avy amin’ny malala-tanana Malagasy rehetra ihany koa fa mbola handeha hiatrika ny dingana famaranana IHF Trophy any Conakry amin’ny 23-30 jolay 2019 izao hamantarana izay ho solontenan’i Afrika handeha hiatrika ny Mondial 2020.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT