Sport

Hand-ball Fifanintsanana « IHF TROPHY » Nampiarahana amin’ny “Zône 6” i Madagasikara sy Seychelles


  • Alatsinainy 03 Jona 2019

Satria tsy mandray anjara i Comores sy Maurice izay “forfait” ao anatin’ny “Zône 7” aty Afrika eo amin’ny taranja Hand-ball izay misy an’i Madagasikara,

 

 

 

 dia nampiarahana amin’ny “Zône 6” miaraka amin’i Lesotho, Zimbabwe, Mozambique, Afrique du Sud, Namibie,  Malawi ary  i Zambie i Madagasikara sy  Seychelles ka hifanintsana any Lusaka Zambie manomboka amin’ny 11 ka hatramin’ny 16 jolay 2019  ho avy izao hahitana izay ho tafita hiatrika ny fifaninanana “IHF (International Hand-ball Federation) TROPHY” 2019 sokajy  Cadette U 18 sy Junior vehivavy U 20.    

Nanomboka tamin’ny 15 mey 2019 teo ka hatramin’ny 09 jona ho avy izao fotoana hiaingan’izy ireo ho any Lusaka Zambie no niatrika ny fampivondronana faha-3 nataony ny U 18 sy U 20 vehivavy Malagasy ahitana mpilalao 14 avy ka tamin’ny sabotsy 01 sy alahady 02 jona teo dia teny amin’ny Ceg Ambohipo no nanaovan’izy ireo fanazarantena matotra niaraka tamin’ireo mpanazatra 4 mirahalahy (Eric, Patrick, Tsilavina ary Lovasoa).

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT