Sport

Hand-ball faha-55 taonan’ny ASSM Raikitra ny “Tournoi Frère Fazio & Mohamed Salah”


  • Talata 31 Jolay 2018

Ho fanombohana ny fanamarihana ny faha-55 taonan’ny ASSM Amparibe Hand-ball dia tanterahina etsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano mandritra ny hadimiana 30 jolay-03 aogositra 2018 ny fifaninanana “Tournoi Frère Fazio & Mohamed Salah” handraisana ekipa katita 12-15 taona, Assm, Ac Select, Ascaf Tanà, Mayotte (zazalahy) sy Acbd, 119 Tiroanomandidy, Hbca,

 

 Mayotte (zazavavy) ary ireo ekipa senior lehilahy, Sporting, St Michel Itaosy, Assm,  U 20 National anjara. Resaka fifandraisan’ny samy mpilalao sy fifanakalozan’ny rehetra hatramin’ny mpanazatra sy mpitondra traikefa no tena tanjon’ny fifaninanana, hoy ny filoha am-perinasan’ny klioba ASSM ankehitriny, Ratsirahonana Chistian “Dacre” ka anio talata 31 jolay dia hisy ny fifampizarana traikefa hotarihan’ny mpanazatra Malagasy sy Atoa Jacques mpanazatra Mahorey eny amin’ny kianja mitafon’Akorondrano. Rahampitso alarobia tolakandro indray vao hitohy ny fifaninanana.

Vokatr’ireo lalao natao omaly alatsinainy andro voalohany :

Assm  21 – 17 Mayotte (Katita zazalahy) ; Mayotte 23-17  Tsiroanomandidy (Katita zazavavy) ; Assm 23–13 St Michel Itaosy (Sénior).

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT