Sport

Hand-ball CCOI 2018 Hangotraka ireo lalao famaranana anio sabotsy


  • Sabotsy 01 Desambra 2018

Ireo lalao famaranana roa eo amin’ny sokajy lahy sy vavy no hamarana tanteraka ny fifaninanana CCOI Hand-ball 2018

 

notontosaina nandritra ny herinandro katroka tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Mahamasina. Marihana fa araka ny fitsipika narahana tamin’ity fifaninanana ity dia ireo ekipa roa voalohany avy isam-bondrona tamin’ny sokajy lahy sy vavy no hihaona amin’ny famaranana.

(V) 15:00- Tamponnaise (La Réunion) # Thbc (Madagascar)

(L) 16:30- Asc Tsingony (Mayotte)  #  Château Morange (La Réunion)

Marihana fa teo amin’ny « Préau » fidirana ao amin’ity Lapa ity hatramin’ny alatsinainy 26 novambra teo, andro faha-3 ny CCOI Hand-ball 2018, dia nisy ny varotra fampirantiana ny taozavatra Malagasy nampahafantaran-dRtoa Lalaina mpivarotra isan’andro eny amin’ny « Arts Malagasy » sampanana Ambohitrimanjaka an’ireo vahiny ny vokatra Malagasy azo atao voandalana sy fahatsiarovana. Matetika mantsy, hoy izy, rehefa vita ny lalao tahaka izao dia tonga dia lasa mody any aminy tsy mba nitondra fahatsiarovana avy aty Madagasikara akory ireo mpilalao vahiny nandray anjara.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT