Sport

Hand-ball CCOI 2018 Hanala vela amin’ny Cosfa anio ny As St Michel


  • Alarobia 28 Novambra 2018

Mandritra ny andro faha-5 amin’ny fifaninanana CCOI Hand-ball tontosaina ankehitriny etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina mbola hatrehana hatrany tsy misy fidirana dia

 

 

 

hisongadina amin’ireo lalao 6 ao anaty fandaharana ny fihaonan’ny samy ekipa lehilahy Malagasy misolotena an’i Madagasikara Cosfa # As St Michel any amin’ny 5 ora hariva any ho any. Io indray no fihaonan’ny  roa tonta taorian’ny lalao famaranana ny tompondakan’i Madagasikara taona 2018 ka nandresen’ny Cosfa ny As St Michel 20-19 tamin’izany.  Hanala vela amin’ny Cosfa ny As St Michel. Eo amin’ny fizotran’ity fifaninanana CCOI Hand-ball 2018 ity dia nanambara ny Tale teknika mpisolo toerana Tahindraza Patrick Iavilavitra fa misongadina ny haavo teknikan’ireo ekipa ao amin’ny departemanta Frantsay dia i Mayotte sy  La Réunion izay miatrika ny fifaninanam-pirenena any Frantsa. Asa na noho ny tsy fahampian’ny lalao hatrehan’ireo ekipa Malagasy kosa no mampihena ny haavo teknikan’izy ireo, hoy ity teknisianina ity,  indrindra ny eo amin’ny sokajy vehivavy ka naharatsy ny vokatra azon’izy ireo hatreto.

 

Vokatra azo omaly andro faha-4 : Tamponnaise – Boueni 24-5 (f) ; 

Thbc - Jsb 22-15 (F) ; As Tsiky - Cap Sister 31-12 (F)  ; Vacoas - As St Michel 30-36 (M) ; Château Morange - Durantha 25-23 (M) ; St Pierre Hbc - Cosfa 29-22 (M).

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT