Hamerin-desoka indray ny FMF

Hampanenjehana bitro roa i Coach Rôrô


  • Alarobia 25 Septambra 2024

Mba tsy hilazana intsony hoe tsy nahay naka lesona dia vantanina fa hamerin-desoka

nataon’ny teo alohany indray izany ny FMF na Federasionina malagasin’ny baolina kitra tarihin’ny filohany, Alfred Randriamanampisoa, ao anatin’izao fiatrehan’ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra isan-tsokajiny fifaninanana iraisampirenena samihafa izao. Hampanenjehana bitro roa i Coach Rôrô na Romuald Rakotondrabe satria raha mbola eo am-pitantanana ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra sokajy «senior» na Barea A, izay mifanintsana hahazoana ny tapakila hankanesana any amin’ny amboaran’i Afrika na CAN 2025 sy ny amboara eran-tany na «Mondial 2026», ny tenany amin’izao fotoana izao dia mbola notendrena hanazatra ny Barea hiatrika ny tompondakan’i Afrika na CHAN 2025, izay sokajy toto tanana, ihany koa amin’izao fotoana izao, hoy ny filazan’ireo mpankafy baolina kitra malagasy azy. Iaraha-mahalala fa na samy fifaninanana iraisampirenena aza dia misokajy samihafa izany atao hoe fiadiana ny amboara na «coupe» sy fiadiana izay ho tompondaka na «championnat» izany. Ilay voalohany azo ifantenana ireo matihanina iraisampirenena hita manerana izao tontolo izao. Ilay faharoa kosa dia tsy maintsy ireo mpilalao avy eto an-toerana ihany no natao ho fantenana handrafitra azy hatramin’izay. Adihevitra efa nandeha ny hoe azo hifantenana ireo mpila ravinahitra, saingy eto Afrika ihany, amin’izay teo ny CHAN saingy na izany na tsy izany dia heverina fa mbola tsy maintsy hanena ny fifantohan’ny mpanazatra ao anatin’izany hatrany izay antsointsika hoe fanenjehana bitro roa izay ary efa hita fa tsy naha tomombana ny Barea nifanintsana ho any amin’ny CAN 2021 sy 2023 izany fony mbola sady nitantanan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’izany fotoana ny Barea A no sady nintanany ny andraikitra maha tale tekinika nasionaly misahana ny fanatanjahantena na DTN azy tamin’ireny fotoana ireny. Ho hita eo indray moa izay ho vokany fa ny irariana moa izany dia ny hahombiazan’ilay ekipam-pirenena hatrany na eo aza ireo heverina fa lesoka ara-pitantanana rehetra satria heverina fa tsy ho fahadisoan’ny mpilalao sy ny mpanazatra rahateo ny mety ho lesoka amin’ny fanapahan-kevitra toy izany.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT