Sport

Hakim Abdallah Mpilalao Malagasy mamiratra any Luxembourg


  • Alarobia 19 Aogositra 2020

Taorian’ny fihaonana tamin’ny ekipan’ny Victoria Rosport izay naharatran’ilay lohalaharana Malagasy,

 

 Hakim Abdallah, teo amin’ny ranjony dia andrasana hatreto ny vaovao farany mikasika ny fivoaran’ny fahasalaman’ity Barea ity. Nandresy tamin’ny isa 3 noho 2 moa ry Hakim sy ny ekipany ao amin’ny Swift Hesperange, divizionina voalohany ao Luxembourg, tamin’ity lalao ity saingy voatery najanona an-tenantenan-dalao izy noho ity ratra ity na dia nanome ny tolotra nahafatesan’ny baolina voalohany sy namono ny baolina faharoa ho an’ny ekipany aza. Azo lazaina ho namiratra ary tena tsapa ny fahabangan-toerany teo amin’ny fidirana faharoa satria efa nitarika 3 noho 0 ny Swift nandritry ny fizaram-potoana voalohany. Manahirakirana ihany ny ratra ka mila tsitsiana ny ranjon’i Hakim aloha hatreto, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ity tamin’ny alahady teo ity moa no lalao voalohany niarahan’i Hakim amin’ny Swift Hesperange ary azo lazaina ho nanoto sahady na izany aza izany ny omby.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT