Hakim Abdallah

Miverina misongadina indray


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Miverina misongadina indray, nahatafiditra baolina miisa 2 ny alin’ny zoma teo

ilay lohalaharana malagasy, Hakim Abdallah, izay mifaninana anatin’ny tompondakan’ny baolina kitra divizionina voalohany ao Romania, miaraka amin’ny ekipany dia ny Dinamo Bucarest. Nandresy an-jaridainan’olona tamin’ny isa 1 noho 3 moa tamin’ity alina ity ry Hakim sy ny namany raha nihaona tamin’ny Slobozia teo amin’ny andro faha 24n’ny fifaninanam-pirenena ao Romania. Ny Dinamo no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha 35 saingy voasahalan’ny tompon-trano ihany avy eo ny isa tamin’ny alalan’i Gele, teo amin’ny minitra faha 43 ka io isa 1 noho 1 io no nentin’ny roa tonta niala sasatra. Tsy afa-bela tamin-dry Hakim nefa ry Gele fa nampidi-baolina fanindroany indray ny lohalaharana malagasy teo amin’ny minitra faha 82 ary mbola nanamafy ny fandresen’ny Bucarest teo amin’ny minitra faha 92 koa aza avy eo i Selmani rehefa nahazo penalty. Miverina misongadina indray, araka izany, i Hakim Abdallah ao amin’ny kliobany. Asa hoe hanao ahoana kosa no ho tohiny ao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ao anatin’izao faha 27 taonany izao. Hitohy hisongadina toy ny any amin’ny klioba ve sa ho toy ny efa hita hatramin’izay ihany? Raha mbola ho voaantso hanatevina ny ekipam-pirenena moa izany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT