Sport

Hakim Abdallah ao amin’ny Barea Mety hiova klioba ivelan’ny Frantsa


  • Alarobia 15 Jolay 2020

Ao anatin'ny heriny tsara i Hakim Abdallah, mpanafika vaovao eo anivon’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra,

 

 

 

 amin'izao ary eo ampisafidiana ny klioba ilalaovany amin'ity taom-pilalaovana vaovao ity, hoy ny mpanazatra ny Barea, Nicolas Dupuis, nitatitra ny fihaonan’izy mianaka. Mety hijanona hilalao ao Frantsa nefa mety hisafidy koa ny hilalao any ivelan’I frantsa izy, raha ny fanazavan’ny mpanazatra hatrany. Maro ireo klioba mifampiraharaha aminy amin’izao fotoana izao, raha ny voalaza. Efa nomeko azy ny hevitro fa miandry izay fanapahan-keviny sy mirary soa ary miarahaba azy sahady isika, hoy hatrany i Nicolas Dupuis. Na dia milalao amin’ny ekipa fiandry na “resèrve” ao amin’ny FC Nantes, ao Frantsa, aza moa, farany teo, i Hakim dia heverina fa isan’ireo zandrikely hanana ny hoaviny satria vao 22 taona monja.

J. Mirija Legend: Hakim Abdallah

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT