Haitraitra politika

Mitohy mamotika ny baolina kitra


  • Alarobia 15 Mey 2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

kianja Barea etsy Mahamasina tsy afaka handray ny fihaonana amin’i Kaomoro sy Mali ity. Hita ho mitohy mamotika ny baolina kitra malagasy hatramin’izao, araka izany, ny haitraitra politika. Niaraha-nahatsiahy ny zava-nisy nandritry ny fiadiana ny tapakila ho an’ny tompondakan’i Afrika sy ny tompondaka eran-tany ny taona 2021 sy 2022. Im-piry nandeha moa ny tsikera ny amin’ny tsy tokony hiaretan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea torimaso mialohan’ny hiatrehana lalao kanefa dia nitohy hatrany ny lanonana takariva niaraka tamin’ny filoham-pirenena nandritry ny fotoana naha mpanazatra an’i Nicolas Dupuis ary nitohy taty amin’ny andron’i Eric Rabesandratana taty? Io indray izany dia novana ho kianja Barea, araka ny toromarika avy amin’ny filoham-pirenena hatrany, ny kianjaben’i Mahamasina na dia efa niteraka adihevitra maro. Kianja manara-penitra no nampanantenaina saingy io iaraha-mahita io izany ny valin’ny tombana nataon’ny CAF sy FIFA fa tsy azo handraisana lalao iraisampirenena aloha eo. Hatraty amin’ny fifidianana filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra na FMF no nisy adihevitra mikasika ny hoe kandidam-panjakana sy tsy kandidam-panjakana ary dia lany soamantsara moa iny ny kandidam-panjakana, izay depiote lany tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRD na Isika distrika miaraka amin’i Andry Rajoelina, Alfred Randriamanampisoa. Tsy mila iverenana akory ny mikasika ireo fitarainana matetika heno any anaty fitantanana ireo ligy manerana ny nosy. Izao izany dia hipetraka ny fanontaniana hoe hindrana kianja atsy Maorisy sa Maraoka sa Afrika atsimo sa aiza hanatontosana ireo anjara fampiantranoana mpifanandrina? Manana tetibola nomanina hiatrehana izany rehetra izany ve ny FMF? Miandry ny haitraitra manaraka indray!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

Hijery ny tohiny
FTT