Sport

Haiady Moridima Manambatra haiady Malagasy maro


  • Alarobia 20 Jolay 2022

Haiady mampitambatra ny moraingy avy avaratra andrefana sy ny ringa, izay ady totohondry avy any atsimo atsinanana ary ny diamanga avy eto Antananarivo ny atao hoe Moridima,

hoy ny mpamorina azy, Maitre Michel Le Dragon. Namorona ny moraingy watsa tany Ambilobe aho ny taona 1980, hoy izy. Nanapa-kevitra ny hanambatra ny haiady Malagasy manontolo aho taty aoriana hisian’ny antsoina hoe “Boxe lutte savate de l’union nationale de Madagascar” dia ny taona 1984-1985 no natambatra io moraingy sy ringa ary diamanga io mba ho lasa MMA na full contact sy kick boxing vita gasy. Antsiranana, Majunga, Tsiroanomandidy, SAVA izao efa manao io Moridima io daholo. Na “kick boxing” na “boxe anglaise” na tompondaka erantany amin’ny aditotohondry na karate na inona mifandona amin’ny Moridima dia matetika 10 segaondra no mitsangana fara faha ela. Ny taona 2008 isika efa nanao ady malalaka na “combat libre” tao amin’ny lapan’ny fanatanjahantena sy ny kianja mitafon’I Mahamasina. Nifandona ny moraingy watsa sy kick boxing, moraingy watsa sy moai thai, izay samy mandaka. Ny ringa nifandona tamin’ny judo. Ny diamanga nifandona tamin’ny taikwondo. MMA niady tamin’ny Moridima. Diamanga niady tamin’ny Karate. Ny zanako lahy Frederic Le Dragon rouge no tompondaka tamin’izany. Ny DIFAMA na ny Diamanga famokaran’I Madagasikara no nisolo ny Kung fu nofoanan’ny filoha Ratsiraka tamin’ny 1984. Nanapa-kevitra aho hoe aleo alaina ilay voambolana hoe “mamokara ka mamokara hatrany!” ao amin’ny boky mena. Navondroko ho iray ny zava-misy eny amin’ny tantsaha mpamokatra ho toy ny fandaharan’ny Shaolin ka ny “Tigre” lasa “Fourche”, ny “serpent” lasa “angady”, ny “coup de coude” lasa “tsatoka fandisa” sy ny rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT