Sport

Group JCR Nitondra tohana ho an’ny Barea U23


  • Alakamisy 09 Jona 2022

Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny taranja baolina kitra omaly ny vondrona JCR. Teny amin’ny Green club Vontovorona no nanaovana ny lanonana.

Tamin’ny alalan’ny fanohanana ny Barea latsaky ny 23 taona no nanehoany izany. Tsy ampy loatra ny fanohanana izay atao amin’ny ekipam-pirenena ka mety ho antony tsy mampahomby izany hoy atoa Jean Claude Ratsimivony filoha tale jeneralin’ny vondrona JCR. Amin’ny fitiavana ny fanatanjahantena sy ny maha mpikatroka ny tenako fahiny, hoy izy. no hanolorana tohana hoan’ireo mpikatroka ireo. Marihina fa ny UFICASM (Union des Footballeurs Internationaux et Cadres Sportifs Malagasy) sy ny Mad’ass no nitsirika sy nanao ny fampivondronana ireo tanora Malagasy izay monina any ivelany ka milalao na mianatra momba ny baolina kitra any Frantsa nahafahana nahazo ireo mpilalao, teo ihany koa ny fiaraha-miasan’izy ireo tamin’ny federasionina. Nambaran’izy ireo fa tanjona amin’izao hetsika izao ny ho fampiakarana sy hametrahana amin’ny toerany ny baolina kitra Malagasy sy ho fanomanana sahady ny fiatrehana ny fifanintsanana amin’ny CAN latsaky ny 23 taona. Eo ihany koa ny ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja baolina kitra amin’ny 2026. Azo antoka tsara ny fahombiazan’ny ireto tanorantsika ireo raha voakarakara sy voatokana tsara izy ireo, hoy kosa I charlot Andriamady mpikamban’ny Mad’ ass sy ny UFICASM. Heverina manomboka izao ihany koa ny hananganana ny fikambanana Mad’ass eto Madagasikara raha toa ka tany frantsa no nisy azy hatramin’izay , ahafahana manatanteraka izany izao fiaraha miasa amin’ny Vondrona JCR sy ny Vaniala izao . Mirihina fa hiatriaka lalao ara-pirahalahiana amin’ny ekipam-pirenena latsaky ny 23 taona Maorisianina ireto ekipatsika ireto anio alakamisy etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By Pass ary amin’ny sabotsy kosa ny lalao miverina eny amin’ny Kianja Barea.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT