Sport

Gros, Zotsara, Melvin, Ramalingom Tsy milalao ao anatin’ny N2 hatramin’ny 01 desambra


  • Alatsinainy 02 Novambra 2020

Mpilalao Malagasy 4 ao anatin’ny fifaninanan’ny N2 any Frantsa no isan’ireo tsy afa-milalao nanomboka ny 29 oktobra hatramin’ny 01 desambra noho ny fampiatoan’ny Federasionin’ny kitra Frantsay ny fifaninan’ny ligy,

 

 

 distrika, fifaninana nasionaly N3, N2, D2 ho an’ny vehivavy, ny amboaran’i Frantsa ho an’ny sokajy lehilahy sy vehivavy, ny fiadiana ny tompondakam-pirenena ho an’ny sokajy tanora. Melvin Adrien mpilalaon’ny Martigues FC, Alexandre Ramalingom (CS Sesan Ardennes), ary Zotsara Randriambololona sy William Gros izay samy mpilalaon’ny FC Fleury 91 ireo mpilalao Malagasy voakasika ireo. Marihina fa samy voahantso amin’ny lalao in-droa miantoana hifanaovana amin’i Côte d’Ivoire avokoa izy 4 mirahalahy ireo. Isan’ny olana ho an’ny Barean’i Madagasikara ny fihibohana any Frantsa, izay mety tsy hahafahan’ny mpilalao 17 milalao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT