Sport

GRM Vidy Varotra Nanao poa-droa ry Rasoamaromaka


  • Alatsinainy 19 Jona 2023

Tsy nisy dinika fa dia lasan-dry Rasoamaromaka mirahalahy ny Grand Rallye de Madagascar izay notontosaina tamin'ny faran'ny herinandro.

I Faniry niaraka tamin'ny Mahents nitondra ilay Peugeot 208 no nahazo ny laharana voalohany. I Mika sy Rasata niaraka tamin'ilay 206 WRC nasiam-panavaozana no teo amin'ny laharana faharoa. Tena hoe nanjakazaka ara -bakiteny ireto zanaky ny Governora Hery Rasoamaromaka ireto . Na izany aza dia nahavita nanao fotoana tsara indroa i Mathieu nitondra Subaru ary tonga teo amin'ny laharana fahatelo. Laharana fahaefatra kosa i Tahina Razafinjoelina sy Rojo Raben nanamory ny Subaru .Tsy lavitra ireo fiara teo aloha i Tahina saingy vaky kodiarana intelo dia very 2 minitra mahery kely. Na izany aza dia nilaza ho afa-po ny lehilahy satria isan'ny rallye sarotra ity indray mitoraka ity. Mikasika izay indrindra dia niteny ny filohan'ny Federasiona Jimmy "Bebe" fa nandimby ny RIM ity GRM ity tsy maintsy nohasarotina amin'ny alalan'ny fametrahana ES mihoatra ny 30 km. Raha ny tokony ho izy aza hoy ihany izy dia tokony hisy fifaninanana amin'ny alina. Ny fifaninanana manokana mampitohy an'ny Kilembakemba sy Andranomena izay mirefy 36 km. Ary saika tao no niala an-daharana ny ankamaroan'ny mpifaninana. Isan'ireo tsy tody hatramin'ny farany i Fred Rabekoto noho ny fahasimban’ny Subaru nentiny. I Iaro Kiady izay nahavita fahagagana indray dia nirehotra ny Subaru nentiny. 19 amin'ireo 32 nandray ny fiangana no tonga hatramin'ny farany ary ny dimy tamin'ireo aza tany amin'ny Rallye B. Ho an'ny rehetra anefa dia samy miaky fa tsara ny P 208 sy ny P 206. Tombony ho an'i Mika sy Faniry ny traikefa azon'izy ireo tamin'ny fifaninanana Clio Trophy tany Frantsa.

Nanohana ofisialy ny hetsika moa ny Vondrona Vidy Varotra, izay vao nampahafantatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanatsarana ny tranokalam-pifandraisana. Ankoatra ny loka ho an’ny telo mpandresy sy ny mpiara-miasa aminy dia nisitraka ny lokany tamin’ny alalan’ny fifaninanana sy kilalao isan-karazany izay nokarakarain’ny vondrona Vidy Varotra ihany koa ireo mpanaraka azy ireo. Tany, « bon d’achat », solosaina, finday,… no isany loka natolotra omaly nandritra ny famaranana ny Grand Rallye Vidy Varotra teny Andohatapenaka.

Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT