GREGAS SY TONY BAREA

Notoloran'ny kaominina Ampitatafika mari-pankasitrahana


  • Alatsinainy 15 Septambra 2025

Notsenain'ny Kaominina Ampitatafika, distrikan'Atsimondrano

tamin'ny fomba manetriketrika afak'omaly Sabotsy 13 Septambra folakandro i Gregas sy Tony, mpilalaon'ny ekipam-pirenena Barea nandray anjara tamin' ny CHAN 2025. Niainga teo Antandrokomby ny fitsenana ka hatreny amin'ny tanimenabe Ampitatafika nanaovana ny lanonana. Nambaran'ny lefitra faharoan'ny Ben'ny tananan'Ampitatafika fa voninahitra ho an'ity kaominina ity sy i Madagasikara ary Afrika iray manontolo mihitsy ny fananana azy roalahy ireto, antony nanolorany mari-pankasitrahana sy lelavola ho azy ireo. Tao anatin'ny hafaliana tanteraka noho izany no nandraisana azy roalahy ireto izay tsy nanadino ireo tanora tovolahy mpitia baolina kitra eto amintsika. Tsy misy afa-tsy ny finiavana sy ny fitiavana ary ny fandavantena ihany hoy izy ireo no lalana hahatongavana amin'ny fahombiazana iainany tahaka izao fa tsy misy ny kisendrasendra.
Pati
Légende : Izy roalahy mpilalaon'ny Barea notronin'ny lefitra faharoan'ny Ben'ny tanana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT