Sport

Grand Tournoi d’Antsirabe andiany faharoa Mbola hiaraka hisalahy ny FFB Antsirabe sy ny club 3FA Avaradrano


  • Talata 19 Mey 2015

Raha ny tatitra azo tamin-dRakotonirina Harison Philibert tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny club 3FA Avaradrano sy Radomahefa Hery Tiana tompon’andraikitra voalohany amin’ny club FFB Antsirabe dia ny alahady 23

 

aogositra ka hatramin’ny sabotsy 29 aogositra 2015 no fotoana hanatanterahana ny Grand Tournoi d’Antsirabe andiany faharoa hotontosaina any an-drenivohitr’i Vakinankaratra hatrany. Raha sokajy efatra no nandray anjara tamin’ny andiany voalohany  10, 13, 15 taona ary ny vehivavy dia miampy ny sokajy 17 sy 20 taona izy amin’ity andiany faharoa ity mba hisorohana sy hampihenana ny hosoka amin’ny taonan’ny mpilalao tsirairay avy. Maro ireo fanatsarana hoentina amin’ity fifaninanana ity toy ny faharetan’ny lalao atao. Tsy maintsy manao fifaninanana isaky ny faritra misy azy ny klioba rehetra nahazo fanasana ny sabotsy 18 jolay sy ny alahady 19 jolay 2015 ka ireo klioba roa voalohany isaky ny sokajy no miatrika io Grand Tournoi  io  ekipa mpitaiza tanora amin’ny baolina kitra avy amin’ny faritra maromaro no nasaina hiatrika izany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT