Grand Tournoi Analamanga

Tena miezaka ny Disciples


  • Alakamisy 14 Desambra 2023

Tonga eo amin'ny ampahaefa-dalana ny Grand Tournoi Analamanga baolina kitra

izay isan'ny nanemorana ny Pro League ho amin'ny taona ho avy raha efa tokony notontosaina izany hanomanana ny CHAN. Efa tsy nandray anjara amin'ity farany moa ny FMF nohon'ny antony tsy mazava ka dia nanao izay danin'ny kibony ny ligy Analamanga. Azo lazaina sahady anefa fa fahombiazana ny an'ny Disciples FC satria dia ireo ekipa roa OPL sy Espoir no tafita amin'izany ampahaefa-dalana izany. Koa satria araka maka ami'ireo Espoirs ny ekipa zokiny dia inoana fa ho tsaratsara ho azy ireo ny taom-pilalaovana manaraka eo. Ezaka lehibe izany vitan'ity ekipa avy any Betafo ity fa ny somary mampanahy kely dia tena ho sarotra aminy ny mitazona an'i Tendry izay tena mampiaiky ny maro ny fahaizany. Eo amin'ity ampahaefa-dalana ity ihany koa no ahitana ny adin'ny samy loranjy dia ny CFFA an'i Tota tompom-baolina sy ny Elgeco Plus an'ny filohan'ny FMF, Alfred Randriamanampisoa.
Toa izao ny fandaharan-dalao hatao eny aminlny Kianja Elgeco Plus
Sabotsy 16 desambra 12.00 : US Pro # Disciples Espoirs 14.00 : COSFA # Disciples FC Alahady 17 desambra 12.00 :FC Rouge # Ajesaia 14.00 : CFFA # Elgeco Plus
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT