Grand Tournoi Analamanga

Lasan'ny Disciples ny vola be


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Efa nampoizina fa ho lasan'ny Disciples ny Grand Tournoi Analamanga.

Resiny teo amin'ny fandakana penalty ny US Pro rehefa nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny roa tonta nandritry ny 120 minitra. Ny US Pro anefa ny nanokatra ny isa tamin'ny alalan'i Ezra izay nanosika ny baolina tao anaty arato tsy misy mpiandry tsatokazo intsony. Nosahalain'i Ludovic tamin'ny loha ny isa teny amin'ny tabilao. Ary tsy niova io isa nandritry ny fanalavam-potoana.Teo amin'ny fandakana penalty anefa no nampiseho ny fananany traikefa ny Disciples ka nahafaty ny baolina dimy i Tendry, Ando Racap, Tantely, Tsilavina ary Tony.Efatra kosa no matin'ny US Pro rehefq tsy nahafaty i Fitahina fa lasa daka savoan-danitra.Lasan'ny Disciples izany ny lelavola 20 tapitrisa ariary izay naloan'i Tota, filohan'ny ligy Analamanga, tolo -botsitra. Na izany aza dia tsy nitsanga-menatra ny US Pro nahavita nanohitra hatramin'ny farany. Ny tsilion-tsofina no nahalalana fa ny fito teny ambony kianja dia mpilalaon'ny USCAFOOT. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT