Grand Tournoi Analamanga

Hanohitra mafy ny US Pro


  • Zoma 12 Janoary 2024

Hery vaovao no ho entin'ny US Pro hiatrika ny famaranana ny Grand Tournoi Analamanga

ny alahady izao etsy amin'ny kianja Elgeco Plus. Raha ambony latabatra aloha dia tsy misy dinika fa mafy ny Disciples izay misehatra ao amin'ny Pro League, Pure Play Football League mantsy satria izay no nifanarahan'i Alfred Randriamanampisoa sy ry zareo Saodianina. Ny US Pro kosa dia mbola aty amin'ny ligy Analamanga mba tsy hitenena hoe baolim-pokontany. Tandremo anefa fa betsaka ireo hevetina ho sangany no resin'ireto US Pro ireto raha tsy hiteny afatsy ny Elgeco Plus farany teo sy ny COSFA ary ny Mama FC. Mbola mety hanao fahagagana izany ny US Pro raha jerena amin'ireo zava-misy saingy tsy nitazana fotsiny koa ny Disciples fa tena nanomana. Nanamboatra mihitsy aza satria dia misy ireo tanora nantsoiny hanatevin-daharana toa an'i Ludovic sy Nantenaina Messi izay samy aty aloha. Efa sitrana ihany koa i Tendry izay efa Barea ka tena tsara ny famonoam-baolina izay tarihin'i Mando sy Kante. Ny vodilaharana afovoany no ahitana an'ireo Barea dia Tantely sy Andy. Ny baolina anefa borobory ka ho hita eo ihany.
Clément RABARY

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT