Grand Tournoi Analamanga

Famaranana alohan'ny fotoana ny Disciples # Ajesaia


  • Zoma 05 Janoary 2024

Hotontosaina ny faran'ny herinandro io etsy aminlny Kianja Elgeco Plus ny ankatoky

ny famaranana ilay Grand Tournoi Analamanga. Hihaona voalohany ny sabotsy ny Elgeco sy ny US Pro. Lalao vandivandy namboarina mba ahatonga ny Elgeco Plus hatrany amin'ny famaranana. Mihevitra mantsy i Toto Rakotoarimanana fa gana malemy ny US Pro nefa mety tsy izay no mety hiseho satria romotra ny US Pro izay ekipa tokana tsy manao Pro League. Na izany aza, raha ny zavatra nasehon'ny Elgeco tamin'ny fihaonana nanoloana ny CFFA dia mbola misy lesoka maro. Mbola antenaina hiady izany ny baolina indrindra raha mandeha mahitsy ny mpitsara izay mety sahirana rehefa tsy voantso tany amin'ny CAN any Kameronina. Fa ny tena baolina miendrika famaranana kely dia ny fifandonan'ny Disciples sy ny Ajesaia ny alahady manomboka amin'ny 2 ora. Ny Ajesaia moa dia miantehitra amin'i Feno ilay mpanafika hikoizana amin'ny famonoana baolina saingy tsy tazana rehefa ao amin'ny Barea. Na izany aza dia efa maromaro ireo tompon-toerana efa lasa any Seychelles toa an'i Clark. Etsy andaniny anefa dia maneho fahavonona ny Disciples ary nanova mpilalao satria i Ando mpiandry tsatokazo izao dia niverina any amin'ny Ajesaia. I Ando Racap koa dia niala sasatra fa saingy voasolon'i Andy ilay Barea ny toerana. Izy sy Tendry izany no voantso Barea fa na izany aza mbola betsaka ny tsara ao toa an'i Mando sy Kante. Misy koa ireo vaovao mbola mifono sase raha tsy hiteny afatsy Nantenaina izay efa antsoin'ny namany hoe Messi no ny fomba filalaony mitovitovy amin'ny an'ilay Argentin. Tsara raha fehezina ny Disciples amin'ity taona vaovao ity. Ny tanjony rahateo dia mazava fa ny handrombaka ireo fifaninana rehetra misy. Efa natombony izany tamin'ny alalan'ny Disciples Betafo nandritry ny Katita Milalao ary ny handrombahan'ny vehivavy ny tompondaka eto Madagasikara. Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT