Sport

Grand Rallye de Madagascar Vidy Varotra


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Fandresena voalohany ho an'ny ASACM ny lalana

Tena hiady ity Grand Rallye de Madagascar Vidy Varotra ity raha jerena amin'ny saina tsy miangatra. Niketrika, tena niketrika ity klioba ity namolavola ity andiany faha 44 ity. Vao manomboka ny 16 jona mantsy dia efa tsy maintsy ho vaky ny ady satria dia feno dia feno ireo lalan-,tsatotra mandritry ny fifaninanana manokana roa voalohany (ES 1 sy ES ,2) .Mody hoe 8,87 km no atao in-droa miantoana fa tena gaigy satria hita ao daloho ireo pitsopitsony maha Rallye ny Rallye. Tena tsara na dia miendrika slalom aza satria dia betsaka ireo toerana azo hanarahana ny lalao. Misy ireo lalana mahitsy tora-tady fa betsaka koa ireo fiolahana. Misy ny fidinana mivaly fiakarana fa misy koa ireo lalana mamakivaky ala. Misy ireo toerana tsy maintsy hitsambikinana ary misy hatramin'ny tetezana kely aza. Eo amin'ilay tanana kely antsoina hoe Ankafotra izany no fotoana ho an"ireo te hijery fampisehoana. Ary raha mbola tsy fantatra hoe iza no tena hifaninana amin'ny ASACM izay hampijoro ireo sangany ao aminy toa an'i Fred Rabekoto, Mathieu Andrianjafy ary Tahina Razafinjoelina dia ny azo antoka dia tsy msintsy misy ny hitsoaka an-daharana sahady io zoma 16 jona. Sanatria hoe manozona fa tena mafy ity Ankafotra ity. Mba tena nahita kosa aloha ny ASACM.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT