“Grand match de fair-play”

> Resin’ny ekipan-dRajao ry be môtara


  • Zoma 16 Aogositra 2013

Mbola mahery ny ekipan-dRajao amin’ny lalao baolina kitra raha ny lalao nitranga tao Antsirabe no jerena.

Notontosaina tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra indray mantsy ny andiany fahatelo tamin’ilay lalao “Grand Match de Fair Play”, izay fanaon’ny trano famokarana sarimihetsika Scoop Digital ka ny ekipa Zandary vehivavy miaraka amin’ny vadin’ny zandary no nifanandrina tamin’ny tarik’i Raly. Resin-dry Raly tamin’ny isa 3 no 0 ireto vadina zandary ireto. Teo amin’ny lehilahy kosa dia ny FC Motard avy ao amin’ny polisim-pirenena no nifanandrina tamin’ny ekipan’ny Tafika Bemiray izay notarihin’ny Kolonely Rajao ao amin’ilay sarimihetsika “Adisanina” ka nandresen-dRajao ny polisy tamin’ny isa-3 no 2. Fahombiazana ary nahasarika ny mponin'Antsirabe ny lalao satria dia saika feno hipoka ny kianjan’ny Vélodrome ny tolakandron’ny alakamisy 15 aogositra teo, izay andro tsy fiasana rahateo. Sambany rahateo no nilalao tao an-toerana ireto mpilalao sarimihetsika ireto ka maro no liana hifanatri-tava tamin’izy ireo.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT