Sport

Grand Maître Tahina Andrianaivo “Manampy amin’ny fiatrehana ny fiainana ny fanatanjahantena”


  • Alakamisy 29 Aprily 2021

I Grand Maître Tahina Andrianaivo no namorona ny TCDL na Tek Chuan Do Combat Libre eto Madagasikara.

 

 

 

 Nanaiky hitafa fohy tamin’ny Tia Tanindrazana momba ny tontolon’ny haiady TCDCL izay miombana amin’ny “Combat libre” sy ny “self defense”. Eo ihany koa ny fiantraikan’ny valanaretina amin’ny sehatra misy azy ireo.

“SADY FITAIZANAM-BATANA NO FANATANJAHAN-TSAINA”

« Ny TCDCL dia haiady mijoro ara-panjakana ao anatin'ny foiben'ny MMA maneran-tany, tao anatin'ny 25 taona nampianarako ny haiady dia tena nandrisika ahy ny hanampy ny tanora sy mpiara-belona hitaiza vatana sy hatanja-tsaina rehefa miatrika ady na olana eo amin'ny fiainana. Hafa mihitsy ny olona manao fanatanjahantena. Nisafidy ny “combat libre” aho noho izy haiady mafy sy mahery setra ahazoana mandrefy hoe ady ny fiainana, ny “self defense” mba hanampiana ny olona mba hahay hiaro tena amin'ity tsy fandriampahalemana efa manjaka ity. Efa aman'alina ny olona nianatra tato amin'ny TCDCL ary efa miparitaka eto Madagasikara. Efa misy sampana TCDCL daholo eto Madagasikara ary ny tanjona dia ny hanaparitahana azy manerana ny kaominina ».

MIKATONA NY “DOJO”, NIOVA TANTERAKA NY FOMBA FIASA

“Tsy afaka misokatra ny “Dojo”, nijanona daholo ny “tournoi” sy “competition”, tsy misy “activité sur place” izany hoe mivantana, fa mampanao “séance en ligne” aho ho an'izay liana. “Video” momba ny teknika no atao amin’io, ary amin’ny sarany sahaza ny rehetra fa tsy lafo. Ilain'ny vatana foana ny manao fanatanjahantena mba hampatanjaka sy hampahery saina. Ilaina ihany manaja koa ireo fepetra sakana, ary misakafo ara-pahasalamana”, hoy ny Grand Maître Tahina Andrianaivo.

 

Raha misy vonona hiara-hiasa amin’ny TCDCL toy ny any amin’ny faritany dia afaka mitsidika ny pejy Facebook “I love combat libre Madagascar”, ary afaka miantso ny laharana 034 87 303 57.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT