Sport

Grand Maitre Avoko 40 taona nanaovana Kung-fu


  • Alakamisy 06 Jona 2019

Tany Ambositra fony izy vao 7 taona monja no niditra nanao Kung-Fu i Avoko Rakotoarijaona.

 

 

Mankalaza ny faha-40 taonany teo amin’io sehatra io amin’izao 2019 izao. Raha ny ampahany amin’ny tantara, dia notafihin’ny tafi-panjakana ny tranon’izy ireo tamin’ny taona 1985 ary norarana tsy azo natao teto Madagasikara ny Kung-fu nanomboka teo. Niverina ho ara-dalàna indray izany nanomboka ny 12 septambra 1992, rehefa niresaka tamin’ny Filoha Zafy Albert i Avoko. Nisandrahaka nanerana ny Nosy ka nitsangana ny “Federation Malagasy de Kung-fu Wisa” ny taona 1997. Niahy ny Kung-fu ny minisiteran’ny tanora sy ny fanatanjahantena izay nandefa an’i Avoko Rakotoarijaona niofana tany Frantsa ny taona 1998, nitohy tany amin’ny Temple de Shaolin tany Chine, izay izy no Malagasy voalohany  niofana tao. Manana ny trano foibeny etsy 67Ha ny kung-fu amin’izao, ary misy ny toeram-piofanana lehibe mitondra ny anarana “Temple de Pierre Mizael” eny Ambatomirahavavy. Efa notoloran’ny fanjakana mariboninahitra “Chevalier de l’ordre du Mérite Sportif” i Avoko noho ny ezaka nataony. Ny sabotsy 13 jolay izao no hanasany ny Malagasy tsy an-kanavaka ho avy eny amin’ny Tahala Rarihasina Analakely hijery ny fampiratiana ny vakoka sy ny tantaran’ny Kung-fu tao anatin’izay 40 taona izay. Ny 18 aogositra kosa ny lanonan-dehibe hanaovana ny fitokanana ho fametrahana an’i Avoko ho “Grand Maitre King-fu Wisa” eto Madagasikara eny amin’ny “Temple Pierre Mizael”.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT