Sport

Grand Concours Doublette Pétanque Fiara Daewoo Matiz no homena ireo mpandresy


  • Alakamisy 09 Novambra 2017

Goavana dia goavana raha ity fifaninanana tsipy kanetibe “ Grand Concours Doublette Pétanque” (sur invitation) hotontosaina etsy amin’ny Boulodrome CBT Mahamasina karakarain’i Trema Rafetrarinanja anisan’ireo kalaza eo amin’ity taranja ity ka ho tontosaina amin’ny sabotsy 11 sy alahady 12 novambra 2017 ho avy izao.

 

Nambarany fa namotsotra fifaninanana  tsipy kanetibe maromaro ny mpitia an’izany nandritra iny vaninandro nirohotan’ny valanaretina pesta teo iny teto amintsika ka efa maro no mangitikitika mafy hanipy ny kanetibeny indray. Raha moto sy bisikileta no nahazatra fanome an’ireo mpandresy teo aloha teo dia fiara Dawoo Matiz kosa no hatolotra ireo mitana ny laharana voalohany amin’ity indray maka ity miampy amboara kalisy « importés » ka izay no nanaovana azy hoe : goavana. Moto tsirairay avy kosa no hatolotra ny mitana ny laharana faharoa ary lelavola 500.000 ariary avy ho an’ny ekipa faha-3 sy faha-4. Marihana fa mpilalo « Elite 1 » sy mpilalao « Boss 1 » no tsy maintsy miaraka ao anaty « doublette » izay handoa « mise » 500.000 ariary.

 

Ntsoavina Evariste

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT