Sport

Grand Combat de Kick Boxing Vonona tanteraka ireo mpilalaon’ny « selection Tanà”


  • Alarobia 08 Novambra 2017

Vonona tanteraka ankehitriny ireo mpilalao voafantin’Antananarivo eo amin’ny taranja kick boxing hiatrika an’ireo mpilalao voafantin’ny “zone sud”

 

 tarihan’ny klioban’ny Zanakala Matsiatra Ambony amin’ny lalao miverina hifanandrinan’izy ireo ao anatin’ilay hetsika “Grand Combat de Kick Boxing” retour na revanche hotontosaina etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny sabotsy 11 novambra ho avy izao. Raha ry zareo vahiny no nandray an-tanana ny hetsika tany Fianarantsoa tamin’ny volana septambra 2017 teo dia ny ekipan’ny Afk sy ny Ckba ary ny Tigers sy ny Ftba kosa no mifarimbona amin’ny fandraisana azy ireo amin’ity lalao miverina ity. Marihana fa ady sahala no nisarahan’ny roa tonta tamin’ny lalao mandroso. Isan’andro ary maraina sy hariva no hanaovan’izy 29 mianadahy avy eto Antananarivo fanomanantena eo ambany fitarihan’i Me Nono sy Me Jhonny ary  i Me Rivo etsy amin’ny Dojon’ny Fkm etsy Tsaralalàna. “Combat” 25 no harahina amin’io andro io ka ny tapany maraina dia anjaran’ny “classe B” no miakatra an-tsehatra ary ny hariva kosa dia anjaran’ny classe A”.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT