Sport

Golf – BNI Ringer score faha-11 : Hiroso amin’ny dingana faharoa ny Alahady izao


  • Alakamisy 21 Janoary 2010

Mifanesy ary mitohy hatrany ireo fifaninanana samihafa eny amin’ny Golf club du Rova Andakana. Lasa ny Telma racing championship dia misosoka indray ny BNI Ringer score izay efa miditra amin’ny andiany faha-11.

Tsiahivina fa misy dingana (tour) folo amin’ity fifaninanana faharoa ity izay efa hiroso amin’ny tour 2 ny Alahady izao. Ny 13 desambra teo no nanatontosana ny dingana voalohany, ka nahazo ny teo amin’ny sokajy lehilahy Randriamanana Ny Kiady ary i Noyon Monique kosa ny teo amin’ny vehivavy. Raha tsiahivina ny vokatra dia isa 76 no naha laharana voalohany an’i Ny Kiady teo amin’ny lehilahy, faharoa Ratsimbazafy Luc (85) ary fahatelo i Morizot Michel (85). Tsy nandray anjara kosa ireo sangany toa an-dRaveloarison Theodore sy Rabetsaroana Sylvain. Vokatra teo amin’ny andriambavilanitra indray, laharana voalohany i Noyon Monique (89), faharoa Ratsimbazafy Hanitra (91) ary fahatelo i Viard Valerie (92). Raikitra indray izany ny Ringer score izay hisy dingana iray isam-bolana ary tsy hifarana tanteraka raha tsy any amin’ny volana novambra any. Rabetsaroana Sylvain sy Ony Marchand moa no nandrombaka ny anaram-boninahitra tamin’ny andiany faha-10 tamin’ny taona lasa iny.
 

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT