Mbola resa-be hatramin’izao ny gidragidra niseho tany Fianarantsoa nandritra ny lalao nifanandrinan’ny ekipan’ny CNaPS Sport Itasy sy ny Elgeco Plus Itasy ny faran’ny herinandro teo.
Maro ny zavatra tsy nampitovy hevitra ka toa niteraka korontana. Anisan’ny nitana ny sain’ny maro ny hoe fihetsika mamohehatra nataon’ny mpanohana ny ekipan’ny Elgeco Plus, izay voalaza fa tsy nanana ilay toe-tsaina mandala ny fanatanjahantena amin’ny alalan’ny “Fair play”. Teo ihany koa ny fitondran’ny mpiambina ny tompon’ity klioba ity basy tao anaty faritry ny kianja, izay tsy tokony hatao. Voatery niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny filohan’ny federasionina vonjimaika, Doda Andriamiasasoa. Miseholany ny fanakianana ny tompon’ny Klioba taorian’iny raharaha iny. Mivoaka ihany koa ny hoe mirehareha fatratra sy mitonona ho mpanolotsain’ny praiminisitra ny tompon’ity klioba ity, ka tsy any anaty kianja ihany no manao fihetsika tsy dia mety loatra indraindray fa na ety ivelany aza. Tsy hay aloha na tena mpanolotsaina tokoa izy na tsia, fa voalaza ho manapatra fahefana ny tenany, ka mampiasa “cocarde” rehefa mitondra fiara eny an-dalambe noho ny filazana fa mpanolotsain’ny praiminisitra. Re anefa fa tsy mitazona izany toerana izany ny tenany, ary mety ho fisandohana na fitia te hampiasa fahefana tsy ananana akory ilay fihetsika. Andrasana izay mety ho fanazavana misimisy kokoa avy amin’ny Elgeco Plus noho ity toe-javatra toa manaratsy endrika ny tompon’ny klioba sy ny klioba manontolo ity.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.